Lakozian'i Ando "Mizara am-pitiavana" Ando, renim-pianakaviana iray, miasa amina orinasa (agence de communication digitale). Tia manandrakandrana aty tamin'ny fijerena fandaharana momba ny sakafo, ny famakiana boky ary ny "internet" no nianarany sy nahitany paika sy tetika isan-karazany (astuces). Ny tena tian'ny olona dia izay zavatra mora vita sy takatry ny rehetra. Tia mizara Olona tena tia mizara i Ando. Tia mampita ny traikefa hananany amin'ny hafa izy. Lakozia an'i Ando dia pejy facebook nosokafany tamin'ny 2014 nizarany ny "recette test" sy ireo izay zavatra nataony. Tsy dia hoe nisy tanjona be ahoana tamin'ny voalohany fa mizara am-pitiavana fotsiny. Tamin'ny 2019 izy no nahita hoe be dia be ny olona mangataka recette na fomba fandrahoana na fikarakarana sakafo anaty vondrona na anaty pejy dia hoy izy hoe:" maninona moa aho raha ataoko, fa ny ahy ataoko maimaimpoana ary omeko daholo ny tsiambaratelo (secret) mahatsara azy. Tena tian'ny olona ny fizarana voalohany nataony ka dia notohizany. Ny tanjon'i Ando dia ny hizara fikarakarana na fampianarana amin'ny Lakozia an'i Ando satria maro koa ny olona mety hoe te hihinana zavatra tsara tsy dia manana fahafahana hividianana ohatra dia zaraiko ny fomba fanaovana azy, miaraka amin'ny akora ilaina takatry ny rehetra sady mora karakaraina, na amin'ny fitaovana na enti-manana izany. Misy fomba fikarakarana sakafo sarotsarotra ihany fa ezahana atao mazava tsara mba ho azon'ny rehetra. Ny vina? Tian'i Ando hatao ny hampianatra maimaimpoana ao aoriana kely ao, efa manomakomana izy. Mbola tsy ampy fitaovana nefa aloha amin'izao fa mino nefa izy fa indray andro any ho tanteraka izany. Ho an'iza? ireo vehivavy tena sahirana no hizarany traikefa mba hanampiana azy amin'ny fitadiavana hahafahany manatsara ny fidiram-bolany ho fitsinjovana ny zanany, olona tena mazoto nefa tsy manana fahafahana handehanana eny amin'ny toeram-piofanana manokana. Vokatra andrasana? Ny mizara am-pitiavana no tena tiany. Ny manavanana azy? Ny zavatra tena tiany dia ny manao "pâtisserie", karazana mofomamy sy tsindrin-tsakafo isan-karazany (dessert). Manao karazan-tsakafo masira ihany koa izy ary ny lakozia amin'ny ankapobeny.
Fahaizana nampitaina Tsy hoe matihanina be na nianatra tamin'ny toeram-pianarana manokana momba ny sakafo izy fa fahaizana nampitain'ny reniny, ny renibeny, ny sefo ao amin'ny fianakaviana, nianarany tamin'ny boky, internet, fandaharana momba ny lakozia sy ny fahaiza-mahandro ary indrindra ny fanandramana, ny fahadisoana madinidinika natao isan'isan'andro no nanangonany traikefa. Zanaka mpanao sakafo izy. Maromaro ny mpanao sakafo sy sefo ao amin'ny fianakaviana. Efa tia mahandro sakafo hatramin'ny nahakely ahy miaraka amin'ny bebeako sy ny reniko. D.H.R

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog