Tantara sy fomba malagasy « Mitady ny very isika izao » Vonjitiana Randriamoravelo no anarany. JR Ifalina na Rainianjalahy Malagasy no hahafantarana azy amin’ny fandaharana sy ny fanoratana, mpikaroka tantara. Nanomboka ny taona 2012 ity raim-pianakaviana ity no nikaroka ny tantara sy fomba malagasy ary nizara izany tamin’ny tambazotran-tserasera. Natao ho an’ny malagasy indrindra ny tanora ny fikarohana ataony. « Ny fiverenana an-doharano no fototra ho antsika: ilay foto-pisainana sy foto-pinoana nampalaza antsika hatramizay izay efa very. Marina fa misy ny dian-tanan'ny mpanjanaka nahasimba antsika fa koa misy avy amintsika ihany. » hoy izy. Rehefa manao fikarohana izy dia mampiasa boky, antontan-kevitra ary midina ifotony. 1-Inona no anton'izany ? - Tsy ampy ny fizarana tantara atao any am-pianarana,tsy ampy ny fampahafantarana ireo kolontsaina sy soatoavina. Izay no antony hizarana ireny tantara,fomba ary izay fantatra momba an'i Madagasikara ireny ho aro-fanin'ny vahoaka. « Kely dia kely izy ireny,fa dia atolotra am-pitiavana ary na dia vitsy aza no liana dia ezahana foana! Ary koa mba tsy ho ataontsika toy ny valalan'alika intsony ny kolontsaina ananantsika ka ny tompony aza tsy tia fa mba samy hikaroka sy ho saro-piaro isika manomboka eto. Mitady ny very izao isika satria very ny ankabeazan'ny naha-isika antsika! » hoy Rainianjalahy Malagasy. Ny fomba hitadiavana « ilay very » dia hiverenana atonta ireny boky ireny,ohatra « Firaketana, Tantaran’ny andriana, Menalamba sy ny Tanindrazana, ny Tantara sy fomban-drazana. Manaraka izany dia omena vahana anaty taranjam-pampianarana ny tantara feno momba an'i Madagasikara. Atao andro tsy fiasana ireny fety ho an'ny Malagasy ireny toy ny taombaovao ... Omena vahana amin'ny haino amanjery ny resaka tantara, fomba. Na dia sarotra aza dia azo eritreretina ihany ny fampihavanam-pirenena miainga amin'ny tantara." - Ny olana dia tsy manana "repère historique" isika, ka lasa saika mivily lalana daholo na ny mpitondra na ny vahoaka araka an-dRainianjalahy Malagasy. « Malagasy isika, nataon'andriamanitra ho Nosy! Misy foko maro be,samy manana ny fombany,samy manana ny tantarany nefa dia mitambatra sy mahay miara-miaina eto,mifankahazo fiteny! » hoy izy. - « Hoy Dama ao amin'ny hirany : "Isika malagasy taranaka amam-para,tsy nahay nandova an'ity Madagasikara !Ity nosin-drazana lazaina fa masina ity, toa mpanota fady indray no miaina ety !Isika Malagasy aoka tsy hifanome tsiny, ny heloka rehetra anie ka tsy an'ireo vahiny. (...) » Nandova izany ary Ramalagasy,tsy nahay nandova tsara fa nandova ratsy ka nanohy ilay fomba fanao nampifandrafy,tsy ho mora anefa no hijinja ny nafafy. Ny olana aminy dia isika tsy mahay miaina anaty fahasamihafana nefa harena anie izany e. 2-Anton’ny fizarana sy fampianarana ?
Ny antony hizarana sy hampianarana ny kolontsaina (tantara, fomba…):"Ny fahapotehan’ny kolontsaina dia isan’ny mampahantra ny firenena iray. ». Ny tsy fampitana azy intsony sy ny zava-baovao vahiny no heveriny fa singa fototry ny fahapotehan’ny kolontsaina. Noho ny tsy fananana tahiry na lovan-tsofina avy amin'ireo Ntaolo sy ireo zanak'antintra na ireo zokiolona dia sakana iray goavana mahapotika ny kolontsaintsika. Misy ireo manana azy nefa minia mitazona azy ho tsiambaratelo. Vokany, olom-bitsy no misitraka izany ary dia lasibatra ireo taranaka liana hahafantatra. Tsy manana vitrika na fotoana hamaky boky sy hitsidika ireo tranombakoka ny olona, noho ny adim-piainana sy ny asa aman-draharaha samihafa. Eo ihany koa ny tsy fahampian'ny fotoana. Sady efa tsy sofina intsony no tena mahazatra (Lovantsofina), fa maso, hany ka tsy tafita amin'ireo taranaka ny hafatra. Ny tsy fahaizana mandray sy mandanjalanja ny zava-baovao vahiny no ratsy, mamotika ny an’ny tena. Eo ihany koa ny tsy fitondrana fanatsarana ny antsika, hany ka aleon'ny malagasy maro sasany mirona amin'ny an'ny vahiny, izay mahaliana amin'ny endrika ivelany fotsiny. Somary tia vao ihany koa ny sasany hoy izy. Ireo hita misongadina fa very hasina dia ny "Teny, ny fomba fitafy sy fihetsika. » araka ny heviny. « velomy ny ain'ny kolontsaintsika, mamakia boky dia lanjalanjao sy fidio izay tsara, ario izay ratsy. » hoy izy. 3-Inona ny vokatry ny fikarohana ? Ny vokatra dia betsaka no tonga saina,mikaroka,ary miverina tsikelikely amin'ny soatoavina sy kolontsaina indrindra ny tanora. Manomboka misandratra sy miverina ny hasina maha-Malagasy.Isaorany ireo miezaka manaparitaka azy ireny amin'ny haino amanjery. Raha tiana ny hananana firenena mandroso sy taranaka vanona dia ilaina ny mahalala ny kolontsaina satria isan'ny fototra maha firenena ny firenena izany. 4-Hafatra ? Fanilo sy fahasoavana Aminy, ny fianarana sy ny fampianarana dia toy ny fanilo miampita. « Mahay azy ianao androany dia zarao amy hafa. Izay mandray azy rahampitso dia mizara ho an'izay afaka rahampitso. Tohivakana, tsy misy afenina raha Fombantany sy soatoavina ary ny tantara, tsy atao antery na ankiafina fa aseho ho fantatry ny ambanilanitra » hoy izy. Ny fianarana dia fahasoavana, ny fahasoavana dia toy ny masoandrobe lohataona, samy mahazo izay tandrifiny ho azy. « Aoka tsy ho saropiaro hoe : mahay ianao dia hikobona irery ao, aoka tsy hanafina fa hoe ianao no soa namelankafatra, fa torio ny teny momba ny fahalalana ny fomba sy tantara Malagasy, ahelezo ho ren-tany ho ren-danitra ny soatoavina malagasy, ampianaro ny tanora mba ho olombelona manam-panahy, entano ny vahoaka hirehareha fa malagasy ary monina eto Madagasikara. Aza avela hipitrapitra ny taranaka malagasy rehetra rehetra fa avelao ny azy ho azy. Azy rehetra io fa tsy ahy na anao irery eny Antsika Malagasy rehetra." Ny tarigetrany dia "Havako ny malagasy rehetra, ny fomba sy ny finoana no samy manana ny tetiandroany fa isika malagasy ». Hoy ny Mdrm (mouvement démocratique de la rénovation malgache) rehefa nively rano "Teraka aho ho Malagasy, velona aho ho Malagasy ary maty aho ho malagasy". D.H.R

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog