Biogaz Miaro ny tontolo iainana Ny "biogaz" dia entona azo avy amin’ny fifangaroana « gaz méthane » sy ny « dioxyde de carbone ». Azo avy amin’ny fanodinana ny fako mora levona na fako organika ao anaty « digesteur » ny biogaz. Ny entona azo dia afaka ampiasaina amin’ny fandrahoana na fanafanana sakafo na fanazavana ary azo avadika ho herinaratra. Ny « digesteur » dia fitaovana entina hanodinana ireo fako. Ny "Biogaz Angovo-Mada" no manao ny asa fanamboarana azy. Ny olona tena mety manjifa azy dia ny mpiompy sy ny mpamboly. Ny fako organika rehetra dia mety ampiasaina hamokarana biogaz avokoa fa ny tena mamokatra dia ny taimbiby » "Biogaz Angovo Mada-Combustible", orinasa tsy miankina amin’ny fanjakana, naorin’i Vahatriniaina Rizah Randriamihaja ny faha-28 aprily 2020. Ao Analamahitsy no misy azy. Mamokatra sy Manangana ny angovo azo havaozina (Biogaz) sy miaro ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako (recyclage des déchets) no antom-pisiany. Ny asa ataony dia manao ny asa fananganana ny fitaovana famokarana Biogaz ho an'ny tokatrano iray na maromaro mitambatra. Mampiofana sy mampianatra ny olona ny Biogaz, mivarotra ny fitaovana momba ny "biogaz" rehetra. Manodina ny fako mora levona ho lasa « charbon vert» ihany koa ity orinasa ity. « Mbola sarotra ny fitadiavana mpanjifa » « Raha ny tsena ny "biogaz" no jerena hatreto nandritra ny roa taona nijoroan’ny orinasa "Biogaz Angovo Mada-Combustible" izay dia mbola sarotra ny fitadiavana ny mpanjifa. Ny antony dia eo ny tsy fahalalany ny olona ny biogaz ary eo ihany koa ny fahalafosan'ny fitaovana » araka ny fanazavana noentin’ny tompon’andraikitra iray. D.H.R

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog