Fruit Micy Mamokatra voankazo maina Fruit Micy dia orinasa kely, manodina ny voankazo misy eto Madagasikara. Tamin’ny volana Martsa 2020 izy no niforona. Noho ny fihibohana dia tavela teto an-drenivohitra ireo mpianatra, nefa tsy ampy ny vatsy ka dia namorona ity orinasa ity. « Nahita hevitra izahay ny hanohy ny asa efa nataon’i neny taloha nanampiany ny asany (manga maina) » araka ny fitantaran’ny tompon’andraikitra iray. Ny vokatra amin’izao fotoana izao dia voankazo maina : manga, paoma, voaloboka, ampalibe, mananasy.. poara kaki, pâte de fruit. Efa manomboka manao vokatra vaovao ihany ko aizy ireo dia ny « confit » sy « confiture ». Ny mampiavaka azy ireo ? Vokatra misy eto Madagasikara no hahodiny Tsy mampiasa singa simika amin’ny voankazo maina. Izy ireo ihany no nanangana ny fanamainana ny voankazo. Ny tanjona dia mba ho orinasa lehibe. Raha ny vokatra no resahana dia samy tadiavin’ny olona avokoa. Raha olona mitandrina amin’ny fomba fisakafoanana, tsy mihinana sakafo misy siramamy na singa simika, manao fanatanjahatena dia voankazo maina no ilainy. Ny voankazo maina dia manaraka ny fotoanan’ny voankazo ny famokarana azy. Amin’ny vanim-potoana misy azy no manamaina maro be dia tehirizina, Ireo manomana lanonana indray dia ny « pâte de fruit » no tadiaviny, mba miala amin’ilay vatomamy mahazatra sy mba miavaka kely. Ny « pâte de fruit » dia rehefa vanim-potoanan'y voankazo ihany no afaka manao azy. « Tsy misy izany hoe « pâte de fruit litchi » amin’ny vanim-potoana tsy fahavokarany. Ny tsena dia miova arakaraky ny vaninandro Rehefa misy fety, rehefa faran’ny volana dia mandeha be, fa rehefa ankoatra ireo dia milamindamina.» araka ny fanamarihan’ny tompon’andraikitry ny Fruit Micy. Mila faharetana Maro be ny zavatra nolalovana. Tamin’ny voalohany tsy dia nanana « fond » dia izay lafo no hangalana entana. Hampitomboina ny entana koa araka ny vanim-potoana no hanamainana ny voankazo ary tsy mbola nisy tsena be. Tsy nifanaraka ny tolotra sy ny tinady tany am-piandohana. Olona roa no sady nanomana entana no nitsinjara izany. Ankoatra ny fanenjehana kaomandy, ny tsy fahampian-torimaso dia tao ihany koa ny tahotra kely. Tamin’ny nanao « pâte de fruit » no nandany vola be vao tafavoaka ilay izy. Ny hafatra ho an’ny tanora dia « >Ny manao Zavatra tsy mora. Rehefa misy ny tsy fahombiazana dia tsy manary toky izany na miala an-daharana fa miezaka mitraka foana. Mila manana faharetana ...Mila miharitra ihany koa. Ny vokatra tsy voatery ho hita vetivety … ary izay ilay ilaina faharetana ». D.H.R

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog