Sahaly Corina Haingonomenjanahary « Andao hiteny koreana » Sahaly Corina Haingonomenjanahary, teraka sy lehibe tany Toliara no namorona ny pejy facebook « Andao hiteny koreana ». Taorian'ny fahazoana ny diplaoma baccalauréat no nifindrany teto Antananarivo. Ny zavatra tena tiany (passion) dia ny resaka sakafo, volo, sary (dessin), ary ny teny (langues). Samy zavatra tena iainany sy mampidi-bola ho azy ireo, ankoatran’ilay resaka sakafo. Mpandika teny i Sahaly Corina Haingonomenjanahary. Ny teny malagasy, frantsay, anglisy, koreana no ampiasainy amin’izany. Manao portrait cartoon ihany koa izy, ary manome torohevitra momba ny volo sy mikarakara ny volo. Tiany ny resaka teny (langues), indrindra ny teny anglisy sy ny teny Koreana. Nanomboka oviana ianao no liana tamin'ny teny koreana? Nanomboka tamin'ny taona 2014 aho no liana tamin’ny teny koreana. Efa tamin'izany fotoana izany aho no liana noho ny nahalalako ny momba ny Kdrama (séries koreana), fa tamin'ny 2017 vao tafalatsaka lalina ny fitiavako azy, ka tapakevitra aho ny hianatra izany teny izany. Tiako ilay teny, mahafatifaty ahy, tsara, mampihomehy (mitondra hafaliana), mahafinaritra ahy. Inona no tanjona? Tamin'ny voalohany aho te-hahay hiteny sy hahazo ilay teny fotsiny satria tiako loatra. Fa taona maro lasa taorian'izay, nahatsapa aho fa azoko ampiasaina amin'ny fiainako manokana ihany koa ilay izy : afaka mizara aho, afaka mampianatra, ary afaka mandika teny. Noho izany, lasa niampy ny isan'ireo antony manosika ahy hiaina ao anatin'ny tontolon'izay teny Koreana izay. Vokatra andrasana sy vina? Nanomboka tamin'ny 2021 teo aho no nanana faniriana ny hampitombo hatrany ny fahalalako sy ny fifehezako an'ilay teny, mba hivelatra sy hitombo hatrany ny zavatra azoko atao amin'ny alalan'io teny io. Amin'ny alalan'ny fizarana ataoko, indrindra amin'ny alalan'io pejy facebook "Andao hiteny Koreana" dia mitsiry na mitombo kokoa ny fitiavan'ny hafa ny teny Koreana. Mitombo ihany koa ny fahalalana hananany, fahalalana azon'izy ireo atao fitaovana iaingana, entina manatratra izay tanjona na faniriana hananany mahakasika ny teny Koreana. Voatosika ny hafa, voataona izy ireo hazoto sy tsy ho mora milavo lefona amin'ny fianarany ny teny Koreana. Manao ahoana ny fahitanao ny teny koreana eto Madagasikara?
Betsaka ireo olona liana amin'ilay izy. Misy ny vondrona, ny club, ny fikambanana, ary efa mihamitombo tsikelikely ihany koa ny isan'ireo toerana mampianatra teny Koreana. Hita, ary tsapa fa mahaliana malagasy maro ilay izy, ary tsy vitsy ireo izay tena miezaka ny mianatra izany teny izany. Ny toerany na ny lanjany amin'izao fotoana ? Araka ny fahalalana hananako sy ny fahatsapako manokana dia ireto avy ireo tombontsoa azo raha toa ka miditra lalina amin'ny fianarana izany teny Koreana izany ianao : - hahafahanao mahazo namana; namana malagasy toa anao na avy any amin'ny firenena hafa, hahafahanao manao fifampizarana izay mahafinaritra anareo, mety hahafahanao mahazo namana tompon'ilay teny ihany koa. - Eo amin’ny fianarana : hahafahanao mampitombo ny fahazoana vatsim-pianarana mankany Korea Atsimo, misy vatsim-pianarana hahafahana mankany isan-taona; - Amin'ny resaka asa : afaka miasa amin'ny orinasa koreana eto an-toerana ianao, na koa, raha mahaliana anao ny resaka fandikan-teny dia azonao hidirana ihany koa izay, ary raha tena mahita « opportunité » ianao, mety ho possible ihany koa ny hahitanao asa any Korea Atsimo any mihitsy. Tombony ho anao foana izany hoe mahay tenim-pirenana hafa ankoatra ny anao izany. Mino aho fa hitombo foana ny isan'ny malagasy liana sy hiezaka mihitsy hianatra an'io teny Koreana io. Ny fahafahana manao izany koa moa efa mitombo tsikelikely rahateo. Ary ny antony manosika ny malagasy hanao izany ihany koa dia hitombo hatrany (vatsim-pianarana, asa,…). Hafatra ho an'ireo olona te-hianatra ity teny ity. Voalohany indrindra, mila tianao ilay teny, fa sarotra ihany izany manao zavatra tsy tiana izany, sady mety ho lasa sakana tsy hahafahanao ho lasa lavitra. Manaraka izay, mila fahavonona ara-tsaina sy fahaizana mifehy tena. Fa raha ny resaka « motivation » irery tsy haharitra ela, fa ny fanananao fahaizana mifehy tena no tena hanosika anao foana handroso na dia kamo na malaina aza indraindray, na dia mety ho kivy aza indrindray dia io no hampandroso anao hatrany. Mila mahavita manao fampiharana matetika isan-kerinandro, tsy vitan’ny fianarana adiny roa na adiny efatra isan-kerinandro fotsiny izy io fa mila fahazotoana manao fampiharana (manoratra, mamaky, miteny) sy mihaino. Fenoy teny Koreana ny tontolo manodidina anao : ny zavatra henoina, vakiana, jerena, ny langue ao amin'ny finday, ny langue ao amin'ny « compte Facebook » na « Instagram », sns. Mino aho fa hanampy ihany koa ny fanarahana tsy tapaka ny pejy facebook « Andao hiteny Koreana ». Sady mandefa teny fankaherezana aho ao anatin'io pejy io, no mizara torohevitra momba an'ireo fomba tsara ianarana izany teny Koreana. Misy fotoana aho manome « opportunité » hahafahan’ireo izay liana amin’izany mianatra sy manao fampiharana. Voaresaka ihany koa ny kolontsaina koreana. D.H.R

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog