Takalom-boky
Fizarana fahalalana
Manao fifanakalozana boky maimaimpoana nanomboka tamin'ny heritaona toy izao ny takalom-boky. "Mampiseho izay hanananay izahay ary raha toa ka tsy misy mety amin'ilay olona, dia alefanay eto amin'ny pejy "facebook" ny bokiny mba hifanakalozan'ny samy mpamaky ihany koa." hoy ny tompon'andraikitra. Tsy mifidy taona ny famakiana boky, noho izany, afaka manakalo daholo na tanora na lehibe. Ny tanjona dia ny fizarana fahalalana amin'ny alalan'ny famakiana sy fifanakalozam-boky, na koa fialamboly fotsiny, ary tsy misy sarany.
Maro ny karazana boky tadiavin'ny olona (roman, BD, thriller, sns) ary ezahana hatrany ny manome fahafahampo ireo mpanjifa. Hatreto izahay dia mbola "en ligne" fotsiny ihany saingy ny fifanakalozana dia eto amin'ny faritra Analamanga ihany. Fa kosa, raha samy mpamaky dia mety raha any amin'ny faritra fa ny pejy "facebook" Takalom-boky dia "mpanelanelana" fotsiny ihany amin'ny fizarana ny boky. Ny tanjona dia ny mba hitomboan'ireo mpanjifa hatrany izany hoe ireo mpanakalo boky ary ny hifampizarana fahalalana maimaimpoana. Raha toa ka misy fanomezana (don) ihany koa dia mandray ry zareo.
D.H.R.
20 mai journée mondiale des abeilles Madagascar célèbre aussi depuis quelques années la journée mondiale des abeilles.La maison de l`apiculture Malagasy, créée en 2022, a pour crédo: "Harena sy namana ny tantely". La concertation Nationale permet d`élaborer un plan national pour la protection des abeilles et des pollinisateurs. Les abeilles sont des piliers de la biodiversité et de la sécurité alimentaire. Depuis 2023, la Maison de l`apiculture Malagasy co-organise les évènements nationaux de la journée Mondiale des abeilles. Cette Année, un atelier sur le thème: "l`abeille face aux défis climatiques et aux enjeux de la transformation agricole" a lieu à l`hôtel Carlton Anosy. Différentes entités comme l`Ecole supérieure de Sciences Agronomiques, Malagasy Youth Biodiversity Network, Alliance Voahary Gasy, Alliance Aika, le ministère de l`agriculture et de l`élevage, le ministère de l`environnement et du développement durable ont participé à l`évènement. Donas Hanit...
Commentaires
Enregistrer un commentaire