Ambatovy sy ny Conservation international
Mitohy ny fiarovana ny alan'Ankerana
Notanterahan’Ambatovy sy ny Conservation International ny faha-11 aprily 2022 tao Antananarivo ny fanaovan- tsonia ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny fiarovana ny alan’Ankerana. Mirakitra ny fomba fiaraha-miasa, ny fanohanana ary ny fifanakalozana eo amin'ny roa tonta eo amin'ny sehatry ny fiarovana sy ny fitantanana ara-drariny sy maharitra ny haren-javaboaary eo amin’ny manodidina sy ao amin'ny alan’Ankerana izay iray amin’ny toerana fanonerana ny zavamananaina (na Site Offset) ao Ambatovy izany fifanarahana izany izay navaozina ho an’ny dimy taona manaraka. Tanjona amin’izany fifanarahana izany ny fitandroana ny ambaindain’ny faritra mba hanonerana ireo mety ho fahasimbana eo amin’ny zavamananaina, sy ny vokatsoa avy amin’ny rohin-javaboaary vokatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao Ambatovy amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny tombontsoa azo sy ny fampiasana maharitra ny haren-javaboaary.
Ambatovy no hanome ny fanohanana teknika sy hiantsoroka ny lafiny vola ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa fitantanana sy fiarovana. Ny Conservation International kosa, etsy ankilany no hametraka paikady fampandehanan-draharaha, hitantana ary hanatanteraka ny asa, ary hiantoka ny firindrana eo amin’ny tanjon’ny fiarovana sy ny fanamby mipetraka eo amin’ny lafiny sôsialy sy tontolo iainana manodidina ny faritra mba hanatrarana ny tanjon'ny Fifanarahana.
Ho an’ny Conservation International dia hanampy amin’ny fiarovana an’io faritra arovana any atsinanan’i Madagasikara io ny fiarovana an’Ankerana satria tafiditra ao anatin’ny tandavanala Ankeniheny Zahamena ny alan’Ankerana. Ho an’Ambatovy kosa, araka ny Drafi-pitantanana ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana eo amin’ny lafiny sôsialy na ny fiarovana ny alan’Ankerana dia tafiditra ao anatin’ny asa iantsorohany eo amin’ny lafiny fitantanana ny tontolo iainana araka ny fenitra hentitra indrindra ampiharina eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, isan’izany ny Fenitry ny Société Financière Internationale (Sfi) sy ny an'ny Business and Biodiversity Offsets Program (Bbop).
D.H.R
20 mai journée mondiale des abeilles Madagascar célèbre aussi depuis quelques années la journée mondiale des abeilles.La maison de l`apiculture Malagasy, créée en 2022, a pour crédo: "Harena sy namana ny tantely". La concertation Nationale permet d`élaborer un plan national pour la protection des abeilles et des pollinisateurs. Les abeilles sont des piliers de la biodiversité et de la sécurité alimentaire. Depuis 2023, la Maison de l`apiculture Malagasy co-organise les évènements nationaux de la journée Mondiale des abeilles. Cette Année, un atelier sur le thème: "l`abeille face aux défis climatiques et aux enjeux de la transformation agricole" a lieu à l`hôtel Carlton Anosy. Différentes entités comme l`Ecole supérieure de Sciences Agronomiques, Malagasy Youth Biodiversity Network, Alliance Voahary Gasy, Alliance Aika, le ministère de l`agriculture et de l`élevage, le ministère de l`environnement et du développement durable ont participé à l`évènement. Donas Hanit...


Commentaires
Enregistrer un commentaire