Kanto gasy
Maherisoa Rakotomalala sy ny zava-kanto
Maherisoa Rakotomalala, « plasticien », manao asa momba ny zava- kanto, Ny zava- kanto aminy dia endri-panehoana iray (endrika, bika, feo, sary soratra,mozika,…)avy amin’ ny aingam- panahy ka miteraka fihetsempo na fihetsehan-tsaina na fihetsem-panahy an’ ny olona tojo azy(mpijery, mpiaino ary mpamaky)
Aminy manokana tsy afaka lazaina hoe : « kanto » daholo ny sangan'asa ataony fa ny mpijery azy ihany no mamaritra azy hoe : « kanto » sa tsia. Efa nilona ela tao amin’ny sehatry ny zava-kanto izy. Nanao fampirantiana maro teto madagasikara sy tany ivelany, raha tsy hilaza afa- tsy ny fandraisany anjara tamin’ny lalao « jeux de la francophonie 2017 » sy ny fampirantiana maro tao amin’ny Is'art galerie Ampasanimalo.
Ny tetik'asa manaraka dia eo am-panomanana fampirantiana, hanatsara ny tanàna amin’ ny alalan’ ny kanto an-dalambe (streetart). Ny tanjona dia mba hipaka any amin’ny malagasy ny fitiavana ny kolontsaina sy kanto gasy. Ny vina dia maniry ny hampahafantatra ny kanto malagasy manerana an’ izao tontolo izao. Ny sangan'asa sy sary ataony amin’ny ankapobeny dia mivohy izay maha-malagasy izay hatrany.
D.H.R
Sary : santionany amin’ny sangan’asany
Ayuverda day 2025 célébration le 23 septembre 2025 à l'ambassade de l'Inde Tsaralàlana.La santé et le bien-être préoccupent.Prendre soin de soi est important. Ayuverda fait partie du patrimoine culturel de l'Inde. La santé et l'alimentation saine favorisent le développement d'une nation forte. Donas Hanitriniony R.



Commentaires
Enregistrer un commentaire