Sary sy hosodoko Tanora mana-talenta Hoentina amintsika androany ny mombamomba an'i Ny Antsa Raoël sy ny sary,ny hosodoko, ny fikambanana "Art-nomynous". Randretsamanana Ny Antsa Raoël no anarany feno.Ny Antsa Raoël no hafantarana azy eo amin'ny sehatry ny zava-kanto. "Artiste peintre, aquarelliste", mpanakanto mpanao hosodoko izy. Varotra sy serasera, teny vahiny no nianarany. Ny fanaovana sary dia efa fitiavana sy talenta tao anatiny fony kely ary rehefa taty aoriana vao tena nohalalininy ilay izy. Tamin'ny taona 2015 dia nanaraka fampianarana momba ny sary tao amin'ny "Cercle germano-malgache" i Ny Antsa Raoël. Avy eo vao no nanomboka natao fampidiram-bola ilay izy. Mihompana amin'ny fampiasana lokorano na "aquarelle" ao anatin'ny "style impressionniste ,réaliste , abstrait ary surréalliste" izy. Mbola mianatra foana hatrany moa anatin'izay rehetra izay mba hivoarana kokoa hatrany. Raha ny vinavinany amin'ny ho avy dia ny mba hitomboana hatrany ao anatin’ilay sehatra na arak’asa na ny fahaizana. Ny mba hanana fahafahana be be kokoa anampy ny hafa, hoe hahatonga an’ilay asa tena hahavelona. Raha ny resaka zavakanto mihintsy moa dia anatin’ny fitadiavana ny "style" manokana izy ary ny hahitana an’izay mampiavaka izay no anisany tanjony lehibe amin'izao. Ny haingam-panahy moa dia avy amin'ny manodidina sy ny zavatra hiainana andavanandro fa koa avy amin'ny fahatsapana manokana na hoe "sentiment personnel" araka ny filazany. Raha ny zavatra natrehana tao anatin'izay sehatra izay moa dia maro satria maro ny tsy manisy lanja an'ilay izy ka sahirana tokoa raha ny ara-bola anefa ny fitaovana ampiasaina dia lafo tokoa, tsy dia tena misy manohana sy mankasitraka loatra ilay izy satria tsy ohatran'ny asa rehetra ilay hoe misy "stabilité" ,eo koa izay resaka fitaovana izay tsy tena mbola ahitana betsaka eto an-toerana. Raha ny resaka hosodoko aloha eto amintsika dia tao anatin'izay 4 taona farany izay dia nivoatra be ary tena maro ny tanora miditra ao amin'ilay izy. Raha ny fanatsarana azo hoentina angamba dia eo amin'ny fampianarana no tokony hisy anio taranja io, na koa ny "academie d'art" ho an'izay tena tia hiditra amin'ny sehatra matihanina, ny fanoanana sy fanampian'ny fanjakana ilay sehatra. Fikambanana "Art-nonymous" Ny fikambanana « Art-nonymous » dia nitsangana ara-panjakana tamin’ny 19 septambra 2021, misehatra ao amin’ny zava-kanto izay miompana anatin'ny haira ara-kendrika amam-bika (arts plastiques). Ny anaran’ ny fikambanana dia mizara roa izay ahitana ny teny voaloha « art » na kanto, ary ny faharoa « anonymous » izay midika fanetretena sy fitoviana eo amin’ny mpikambana. Ny tanjona voalohany tena hiompanan’ny fikambanana dia ny fifanampiana sy fampirisiana ny tanora hisehatra ao anatin’ny zavatra. Manaraka izay ny fanomen-danja ny kanto amin’ny endriny rehetra eto amin’ny firenena, ary ny fivoarana eo amin’ny sehetra matihanina. Ankehitriny dia mihisa 40 ireo mpikambana mandrafitra ny fikambanana ary ao anatin’izany ireo mpitarika. Ahitana ireo sokajin’olona sy taona rehetra ny fikambanana : misy ny mpianatra, ny efa miasa, ny matianina sy ireo vao manomboka,… Araka ny maha fiangaliana ny haira endrika amam-bika azy dia hita ao avokoa ireo karazana kanto (arts visuels) rehetra ohatra ny sary natao tanana, ny hosodoko, ny asa sikotra, ny asa soratra, ny fakana sary sy ny maro samihafa. Vao tsy ela akory izay no nanao fampirantiana tao amin'ny Ivon'ny kolontsaina malagasy ry zareo. Nitondra ny lohateny hoe "Loharana kanto" moa ilay izy ary ny fampahafantarana ny fikambanana, fanomboana ny asa, fanatrarana tanjona. D.H.R

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog