>Asa tanana <b>Hosodoko Razafindrampanana Rivo Niaina, manambady aman-janaka, nianatra "sociologie" no hoentina amintsika eto. Nanomboka nanao sary tamin’ny "crayon" sy "stylo" izy. Tamin'ny 1995 izy no nandray anjara tamin’ny fampiratiana nokarakarain’ny "Art Gallery" teo Ambohijatovo (Planète ankehitriny) ka sarin’i Olombelo Ricky vita tamin’ny "crayon" no naranty. Voasafidin’ny Fikambanana JAP (Jeunes Amis de la Peintures) niaraka tamin’ny ankizy anankiroa hafa hisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny fifaninanana « 1er Jeux de la Cjsoi (Commission de la jeunesse et des sports de l'océan Indien) 1995» tany Maurice ka nahazo fiofanana momba ny hosodoko amin’ny ankapobeny tamin’ny filohan’ny fikambanana, Andriamatoa Zach Edith izay mpanao hosodoko efa nanana ny lazany tamin’izany. Nandray anjara tamin’ny fampiratiana hosodoko tao amin’ny Npf Building tao Beau-Bassin – Maurice (National pension funds) nandritra ny Cjsoi tamin'ny 1995. Nahazo Medaly Volamena tamin’ny fifaninana hosodoko amin’ny rindrina "Fresque murale" tamin’ny Cjsoi tamin'ny 1995 i Rivo Niaina Razafindrampanana. Niara-niasa tamin’ny mpanao hosodoko maorisiana, Véronique Leclezio izay nivarotra ny hosodoko vitany avy teto Madagasikara nalefany tany Maurice izy. Hosodoko vita amin’ny loko-rano "Gouache" no natao tamin’izany. Tamin'ny 1997 no nanomboka nampiasa loko-menaka na "peinture à l’huile" izy ary nanao famelomana hosodoko efa antitra na miha-simba "Restauration". Rehefa nijanona kely dia niverina nandoko indray izy tamin’ny 2018 natao fanomezana ho an’olona ary nanomboka nandray « commandes » tamin’olom-pantatra. Mbola mandoko izy hatramin’izao saingy tsy manao fampiratiana fa mandray « commandes » eny ihany rehefa misy. Fahafinaretana manokana sy fizarana kanto ny hosodoko aminy fa tsy dia fivarotana loatra. Ny zavaboahary sy ny hira no "source d'inspiration" na loharano na ainga-panahiny. Avy amin'ny fitiavany mijery zavaboahary ny hosodoko. Rehefa tena mazoto Razafindrampanana Rivo Niaina dia tsy mijanona raha tsy vita ny asa iray na tsy matory aza. Miankina amin’ny haben’ilay hosodoko koa ny faharetan'ny fanaovana azy. Ny "huile sur toile" no mampiavaka azy. Raha ny fahitany ny mpanao hosodoko eto amintsika dia manana mpanao hosodoko tena mahay tsy mena-mitaha amin’ny vahiny i Madagasikara saingy vitsy no tena misongadina na eto an-toerana na any ivelany noho ny tsy fahampian’ny tosika avy amin’ny Fanjakana ho an’ny kanto sy ny fahalafosan’ny fiainana eto Madagasikara izay miteraka sakana ho an’ireo manan-talenta nefa sahirana ka lasa very tsikelikely ilay talenta rehefa tsy voataiza satria sahirana sy variana amin’ny fitadiavana. Amin’ny ankapobeny dia tsy afaka atao fivelomana fa atao vadin’asa fotsiny ny hosodoko satria ny malagasy amin’ny ankapobeny dia tsy mbola mahay manome lanja ny asa-tanana, tsy mahatsapa ny ezaka ao ambadiky ny zava-kanto atolotra hojifaina. Misy ihany ireo mpanao hosodoko mahavelo-tena satria manana fiaraha-miasa matotra amin’ny orinasa na amin’ny any ivelany na manana trano fampiratiana manokana. Tokony hatsangan’ny Fanjakana ny atao hoe tranon’ny « art plastique » ahafahan’ny taranja toa ny hosodoko mivoatra sy mivelatra ka tokony tohanan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny vatsim-pianarana sy fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny sekoly fampianarana hosodoko na trano fampiratiana any ivelany ohatra ireo mpanao hosodoko malagasy mba hampandrosoana ity sehatra ity. D.H.R Sary: Santionany amin'ireo hosodoko vitan-Razafindrampanana Rivo Niaina

Commentaires

Posts les plus consultés de ce blog