Mpanakanto
Natoa Rasolonjatovo (artiste peintre plasticien)
Efa ho folo taona mahery i Natoa Rasolonjatovo no nilona tao anatin’ny fanaovana
hosodoko ary efa matihanina. Ny « style contemporain » sy «
classique » no lalaoviny.
Hatramin’izay dia ny « style classique » no
tena nahitana sy nahafantarana azy. Mivoy ny hakanton’ny maha-olona ireo
sangan’asany.
Raha hazavaina dia maneho ny hatsaran’ny maha-olona manontolo ny
hosodoko ataony.
Milalao ireo « scène de vie » sy ireo tranga eny amin’ny
fiaraha-monina manainga fanahy azy ihany koa izy. Ireo zavatra iainany no hanaovany
hosodoko. Mba hampivoaka ny sary dia mampiasa fitaovana miavaka toy ny fitaratra
i Natoa Rasolonjatovo.
Ny fitaratra dia maneho ny maha-olona mora simba sy
levona nefa natao hamiratra sy hanana fanantenana. Aminy dia natao hanao
hosodoko mihitsy izy ary fantany izany na dia mbola kely dia kely aza izy no
nanomboka nanao azy io.
Ny hoe : « artiste plasticien » dia mpiangaly
ara-java-kanto tsy voatery mampiasa akora loko fa na akora hafa ihany koa aza
dia afaka ampiasaina. Hisaorana ity mpanakanto ity nanaiky nizara tamintsika.
Ayuverda day 2025 célébration le 23 septembre 2025 à l'ambassade de l'Inde Tsaralàlana.La santé et le bien-être préoccupent.Prendre soin de soi est important. Ayuverda fait partie du patrimoine culturel de l'Inde. La santé et l'alimentation saine favorisent le développement d'une nation forte. Donas Hanitriniony R.
Commentaires
Enregistrer un commentaire