Articles

Affichage des articles du décembre, 2022
Ny festival Kolontsaina Maroloko andiany faharoa dia notontosaina teny amin'ny Oniversiten'Antananarivo ny faha-15 sy ny faha-16 desambra 2022. Nandray anjara tamin'ny famelabelaran-kevitra momba ny tantaran'ny teny malagasy ny mpahay tantara sady mpikambana ao amin'ny akademia malagasy, Herilala Ranjatohery. Voalazany tamin'izany fa mivoatra ny teny, miantoka ny firaisam-pirenena, mampahomby ny fifandraisana ho amin'ny fifampandrosoana.Haren-tsaina tsy misahala ihany koa ny teny malagasy, sora-damba mampiavaka ny firenena. Ny politikan'ny teny dia endriky ny fiandrianam-pirenena sy mamaritra ny fampiasana ny teny malagasy.Tsangambaton'ny teny malagasy ny baiboly, ny fihirana, ireo boky aman-gazety.Ny satan'ny teny dia ny toerana omena azy eto amin'ny tany sy ny fanjakana. Manana ny lanjany ny teny malagasy na any Afrika atsinanana sy ny ranomasimbe indiana na any amin'ny firenena hafa. Donas Hanitriniony Ralay